Hamokatra zezika 36 000 hatramin’ny 50 000 t isan-taona amin’ny vidiny mirary, latsaky ny 10% raha oharina amin’ny vidiny maneran-tany ny orinasa ETG. Maro ihany koa ny tolotra omeny ny tantsaha, toy ny Urée, ny NPK, ny DAP. Marihina fa miantoka ny fahatsaran’ny vokatra ny fampiasana zezika tsara kalitao.
Mitotaly 22 333 ireo mpizahatany tonga teto amintsika nandritra ny roa volana voalohan’ny taona 2024. Izany hoe, 11 250 ireo mpizahatany tonga nandritra ny volana janoary, raha toa ka 11 083 izany ny volana febroary teo. Niakatra ireo antontanisa ireo saingy mbola ambany raha oharina tamin’ny taona 2019.
Hiara-hiasa i Madagasikara sy ny masoivohon’ny firenena amerikanina miasa eto amintsika amin’ny fampiroboroboana sy fampivelarana ny toekarena manga, amin’ny alalan’ilay tetikasa “RIAKE” sy ny tetikasa “Nosy Manga”. Ao anatin’izany ny hanaovana fiompiana Dingadingana manara-penitra ao Morombe, hampivoarana ny fari-piainan’ny mpanjono.