Amoron’Ankona : mpiasa telo lahy indray maty nihotsahan’ny tany

Maty ny telo lahy tamin’ireo mpiasa valo nanamboatra « mur de soutiennement » teny Amoron’Ankona Ambohimangakely, omaly. Nihotsaka tampoka ny tany ka tototra izy telo lahy

Mpiasa miisa valo no nikarama nanamboatra « mur de soutiennement » mirefy 15 metatra ny haavony teny Amoron’Ankona Ambohimangakely, omaly ato­andro tamin’ny 11 ora sy 30 mn. Nihotsaka tampoka nefa ny tany niasan’izy ireo ka tototra tao ny telo lahy, raha avotra soa aman-tsara kosa ny ambiny. Nahazo antso ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambohimangakely niaraka tamin’ny polisy momba ny fisian’ity loza mahatsiravina ity. Fotoana fohy taorian’izay, tonga ihany koa ny teo anivon’ny sampana mpamonjy voina nifanome tanana amin’ny famonjena sy fanavotana ireo niharam-boina. Nanampy tamin’ny asa famonjena koa ireo fokonolona avy ao amin’ny fokontanin’Amoron’Ankona Nananosarotra ny fikarohana ireo niharam-boina, naharitra elaela izany satria lehilahy iray no tafavoaka voalohany tao anaty ranontany tamin’ny 12 ora. Mbola velona izy ka nentina haingana namonjy ny hopitalin’Ambohimangakely saingy tsy avotra intsony ny ainy. Nitohy hatrany ny fikarohana nataon’ny mpamonjy voina ka tamin’ny 3 ora sy 30 mn tolakandro, hita indray ny roa lahy hafa saingy efa tsy nisy aina intsony. Taorian’ny fahitana ireo razana, nanapa-kevitra ny tomponandraikitra fa hakatona avy hatrany ny toerana misy io faritra nihotsaka io. Fantatra nandritra ny fanadihadiana fa mbola ao anatin’ny fahatanorana ireo telo lahy niharam-boina ireo. Mitohy, araka izany, ny fanadihadiana ataon’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambohimangakely.

J.C

Partager sur: