Andro maneran-tany ho an’ny Teatra : homena sehatra haneho ny talentany ireo mpianatra

Volana marsa, volan’ny teatra. Hisy hetsika maromaro hanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ity sehakanto ity, ka anisany ny fifaninanana ho an’ireo mpianatra solontenan’ny sekoly maromaro.

Marihina isaky ny 27 marsa ny Andro maneran-tany ho an’ny teatra. Misy hetsika maro ton­tosain’ny fianakaviamben’ny teatra, manodidina izany. Ho an’ity taona ity, hisy ny fifaninanana teatra ho an’ireo sekoly manana mpianatra manantalenta amin’izany. Lohahevitra 4 no hifaninanana amin’ity. Ny fahatsiarovana ny tolo-panafahana 29 marsa 1947, ny ady amin’ny kolikoly, ny ady amin’ny zava-mahadomelina ary ny fanabeazana ara-pananahana. Manana hatramin’ny 14 marsa izao ireo sekoly rehetra manana tropy, raha te handray anjara amin’ny fifaninanana. Tantara tsangana maharitra 10 minitra isaky ny tropy, amin’ny teny malagasy ranoray no takina amin’ireo mpifaninana. Ny 20 marsa izy ireo no hiatrika ny dingana fifanintsanana, ao amin’ny teatra Ravalison Charles, Ivokolo Analakely. Ny 3 amin’ireo tropy hifaninana ihany no hiatrika ny dingana famaranana, hotontosainy ny alarobia 27 marsa, ao
amin’ny Ivokolo ihany. Ha­hazo 1 tapitrisa Ar ny voalohany, 500 000 Ar ny faharoa ary 300 000 Ar ny fahatelo. Samy hahazo fitsidihana ny Rovan’i Madagasikara ihany koa ireo telo voalohany, ho fanampi­an’ny loka.
Raha tsiahivina, nankalazaina nanomboka ny taona 1961 ny Andro maneran-tany ho an’ny teatra, isaky ny 27 marsa. Ny Institut Interna­tional du Théatre (ITI) no mandrindra ny hetsika rehetra manerana ireo firenena mankalaza izany. Anisan’ny lehibe indrindra ilay hafatra avy amina mpisehatra malaza isan-taona, izay mizara ny fomba fijery sy ny soatoavina voizin’ny teatra. Adika amin’ny fiteny maherin’ny 50 maneran-tany ny hafatra, mba tena hipaka any amin’ireo mpisehatra sy mpankafy teatra rehetra. I Jon Fosse, mpanoratra sy mpandrindra an-tsehatra norvezianina no voafidy hitondra ny hafatra amin’ity taona ity. Vao avy nahazo ny “Prix Nobel de la litérature” izy ny taona 2023 teo, noho ny sanganasany izay nandona fo tokoa. Hiainga avy any Langfang, Chine kosa ny ivon’ny fankalazana maneran-tany, ny 27 marsa hatramin’ny 29 marsa izao.

Zo ny Aina

Partager sur: