Tsy mety fay ! Niharan’ny fitsaram-bahoaka ireo mpanendaka roa lahy tratran’ny fokonolona nanendaka teny Bemasoandro Itaosy, afakomaly. Lehilahy iray no nendahin’izy roa lahy tamin’iny lalana hiakatra ny Horizon Itaosy iny. Noraisin-dry zalahy tamin’ny vozon’akanjony ilay niharam-boina. Nazeran’izy ireo tamin’ny tany sady nalainy an-keriny ny finday teny aminy. Nitsoaka avy hatrany ireo olon-dratsy. Nirohotra nanenjika avy aoriana ny fokonolona. Nanampy tamin’ ny fanenjehana koa ny zandary avy ao amin’ny poste fixe ka tsy lasa lavitra dia tratra ry zalahy. Fantatra nandritra ny famotoran’ny zandary fa avy eny 67 ha ry zalahy ireto fa tonga manao ny asa ratsiny eny Antanikatsaka, Bemasoandro Itaosy.
J.C