Hotanterahina anio tolakandro, eny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, ny «Cinem’alliance». Hetsika karakarain’ny AFT hampisehoana sy hiresahana sarimihetsika malagasy izy ity. Amin’ity anio ity, ny «Zanaka, teny nomen’i Felix» no handravaka ny hetsika. Aorian’ny fandefasana ny sarimihetsika, hisy ny resadresaka fifampizarana manodidina ny sarimihetsika, hiarahana amin’i Fifaliana Nantenaina, mpaka sary sy mpandray feo. Tanjon’ity hetsika ity ny fanomezana tosika sy fampiroboroboana ary fampahafantarana ny sarimihetsika.
“Zanaka, teny nomen’i Felix”, horonantsary fanadihadiana mitantara ny zava-misy nandritra ny tolom-panafahana 1947, indrindra ny tamin’ny 29 marsa 1947. I Lova Nantenaina no nanatontosa azy, ary maharitra 29 mn izany horonantsary fanadihadiana izany. Manana ny maha izy azy izy ity ary nisongadina hatrany nandritra ny hetsika nandraisany anjara.
Raha tsiahivina, ny taona 2018 no nivoahany tamin’ny fomba ofisialy. Maro ny hetsika lehibe eo amin’ny tontolon’ ny sarimihetsika nandraisany anjara ary nahazoany amboara. Anisan’izany ny “Zébu d’or Documentaire”, tamin’ny RFC 2019 sy ny “Poulain d’argent”, nandritra ny “FESPACO 2019” ary ny fankasitrahana manokana avy amin’ny mpitsara nandritra ny “Festival Lumières d’Afrique de Besançon”.
Lin