Tontosa omaly, teny amin’ny foibe toeran’ny fitsarana fiarakodia Alarobia, ny famindram-pitantanana teo amin’ny tale jeneralin’ny foibe fitsarana fiarakodia (DGSR), ny tale jeneraly teo aloha, ny Jly Kassimo Arona Besony, sy ny tale jeneraly voatendry hisolo toerana, ny Jly Reribake Jeannot.
Vaindohan-draharaha ny ady amin’ny kolikoly ka hotohizana ireo ezaka efa natomboka indrindra ny fanatsarana ny orinasa sy ny kalitaon’ny asa omena ny mpanjifa, hoy ny tale jeneraly vaovao nandritra ny lahateny nataony. Notsindriany manokana ny fanatanterahana ny asa efa fanao hatramin’izay. Hisy koa ny lavitr’ezaka mifanindran-dalana amin’ireo politikam-panjakana: fanorenana ivontoerana fitsarana fiarakodia vaovao manakaiky ireo mpanjifa amin’ny fananganana tanàna vaovao Tanamasoandro ao amin’ny distrikan’Arivonimamo. Eo koa ny fiomanana sahady amin’ilay tetikasa lalana migodana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina izay mifandraika amin’ny politikam-panjakana. Ho fitsinjovana ireo mpanjifa sahirana ara-potoana, hametrahana ivontoerana fitsarana fiarakodia iray mpiandry raharaha isaky ny sabotsy manomboka ny 16 marsa 2024 ho avy izao, eto Antananarivo. «Hamafisina ny ady amin’ny kolikoly ka tsy hananana fandeferana ireo zay mbola minia manao izany», hoy ity manamboninahitra jeneraly ity. Nambarany fa hojerena ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiantsehatra rehetra amin’ny fandriampahalemana an-dalambe hisorohana mialoha ny trangana lozam-pifamoivoizana toy ny hery fiarovana sy ny fandriampahalemana, hatrany amin’ireo vondron’ny mpitatitra sy ireo mpiara-miasa amin’ny DGSR hatramin’izay.
Tonga nanome voninahitra ny lanonana, omaly, ny minisitra delege misahana ny Zandarimariam-pirenena, ny Jly Rakotondrazaka Andry, niaraka tamin’ireo olom-panjakana ambony eto amin’ny firenena.
Jean Claude