Fanambadiana an-tery: 12 % ny ankizy latsaky ny 15 taona terena lasibatra!

Mbola lavitra ny ezaka momba ny fanabeazana ara-pananahana eto Madagasikara. 40% ny zatovovay latsaky ny 18 taona, 12 % ny latsaky ny 15 taona, terena hanambady.

Firenena mbola ahitana fampanambadiana ankizy eto Madagasikara. La­harana faha-14 maneran-tany i Madagasikara amin’ny fampanambadiana aloha ny zatovovavy. 40,3% ny tovovavy no manambady mialoha ny 18 taonany. 12,7% kosa mialoha ny 15 taonany. Endrika herisetra amin’ny zatovovavy. Vehivavy sy tovovavy iray amin’ny telo no iharan’ny herisetra teo amin’ny fiainany eto amintsika.
Misy, noho izany, ny antso ho an’ny mpitondra eto an-toerana sy ny avy amin’ny firenena 150 anisan’ny Ta­hirin’ny Firenena mikambana momba ny mponina (UNFPA). Nanambara ny talem-paritry ny UNFPA, Lydia Zigomo, “fa afaka 300 taona vao hisy fivoarana ny zava-misy ankehitriny. Mitaky fanafainganana ny ezaka ho fampiharana ny miralenta sy ny fanafoanana ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na ny maha vavy (VBG)” izany.
Asa telo lehibe no mila himasoana: ny fanafoanana ny fahafatesan’ny reny azo sorohina, ny fanomezana fa­hafampo (fanafody) ireo rehetra maniry ny handrindra fiterahana ary ny famongorana ny herisetra sy ny fampanambadiana aloha loatra ny ankizy.
Efa nisy ny fihaonan’ity tomponandraikitra ity sy ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, nandritra ny fankalazana ny Andron’ny zon’ny vehivavy. Nanome toky ny tenany fa hametraka fandaharanasam-pirenena ho an’ny fandrindram-piterahana. Hahazo tom­bony mivantana ny vehivavy sy ny tovovavy hampihenana ny taham-pahafatesana vokatry ny vohoka.

Ady hevitra

Miteraka ady hevitra be ny mahakasika ny fanabeazana ara-pananahana ankehitriny. Andaniny ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena mandrara ny fanaovana izany any an-tsekoly. Ankilany ny firaisamonim-pirenena sy ny parlemantera manao adisisika amin’ny hampidirana izany anaty fandaharam-pianarana. Ma­no­loana izany, misy amin’izao fotoana izao ny dinika iarahan’ny mpiantsehatra rehetra. Tanjona ny hanampiana ny zatovo, hisorohana ny vohoka tsy iriana, ary hiarovana amin’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo tsy voaaro.

Vonjy A.

Partager sur: