Fandaharam-pibeazana: nomena tantsoroka ny mpampianatra

Nomena tantsoroka momba ny fandaharam-pibeazana ho an’ny kilasy T1 hatramin’ny T9 ireo mpampianatra sy talen-tsekoly ao anatin’ny Cisco 18 manerana ny Nosy.
Nahatratra 170 ireo talen-tsekoly niatrika ny fiofanana ary 2 161 ireo mpampianatra.
Ny 1 227 tamin’izy ireo dia mpampianatra amin’ny kilasy T6 hatramin’ny T9 raha mpampianatra amin’ny kilasy T1 hatramin’ny T5 kosa ny ambiny. Avy amin’ireo sekolim-panjakana sy sekoly miahy tena izy ireo.
Mpanolotsaim-pampianarana sy lehiben’ny ZAP miisa 216 no niantsehatra niaraka tamin’ireo teknisiana nanome ny tan-tsoroka 54 mianadahy avy amin’ny minisitera foibe, nandritra izany.
Hanatsarana ny fahaizana mampita ny fampianarana amin’ireo mpianatra sy ny lentan’ny fanabeazana eny amin’ny kilasy T1 hatramin’ny T9 no tanjona.
Vonona ireo mpanabe hanohy sy hampihatra ny fanatsarana ary hisy hatrany ny fanjohiana azy ireo eo am-panatanterahany ny asany. Hiandraiketan’ny mpampiofana isam-paritra sy ireo teknisiana avy amin’ny minisitera foibe ny fanaraha-maso.

Tatiana A

Partager sur: