Fanohanana : nozaraina fitaovam-pamokarana ireo tantsaha

Tafiditra ao anatin’ny tetikasa 100 andron’ny fitondram-panjakana ny fanohanana ny tantsaha mpamokatra, hampiroboroboana ny seha-piha­riany. Nisitraka fampitaovana avy amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, omaly, tetsy Mahamasina, ny vondrona tantsaha mpiompy miisa dimy izay misehatra amin’ny fiompiana akoho, bitro, tantely ary ondry aman’osy eto amin’ny faritra Anala­manga. Tohana izay nahitana fisakafoanan’akoho 500 isa, fisotroana rano 500 isa. Na­hazo akoholahy 6000 sy fanapotehina sakafom-biby miisa telo ary vitamina ho an’ny akoho amam-borona 800. Teo ihany koa ny ody kakana ho an’ny akoho amam-borona 1800 tavoahangy, fanakotrehana atody miisa roa, sakafo mifatratra ho an’ny akoho amam-borona 20 gony amin’ ny 50kg. Ao koa ireo katsaka 18 t, trano tantely 20 isa ary fitambarana fitaovam-pamokarana tantely miisa dimy. Ankoatra ireo, nahazo vakisinin’ akoho aman-borona 200 000 fatra sy ody kakana ho an’ny ondry aman’osy 20 000 fatra ary vitamine ho an’ny ondry aman’osy 20 000 fatra ireto mpiompy ireto. Ham­pitom­boina ny famokarana ataony, nozarana osy 110 isa, akoho mifaha 1 000 isa, bitro 100 isa ary fanodinana sakafom-biby miisa roa ny tantsaha. Hetsika entina hampiroboroboana ny fiompiana hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ity natao ity. Araka izany, mbola hitohy ny fanohanana ataon’ ny minisitera.

Henintsoa Hani

Partager sur: