Fianarana any ivelany: manomana 19 000 euros ny mpianatra iray miainga eto Madagasikara

Efa manomboka mahaliana ny tanora malagasy amin’izao fotoana izao ny fandra­toana fianarana any ivelan’ny Nosy. Tsy ataon’ izy ireo sakana ny fahabetsahan’ny vola omanina amin’izany.

Nofinofy sy mahaliana ny ankamaroan’ny tanora malagasy ny handrato fianarana any ivelany. Manan-danja kokoa ny mari-pahai­zana iraisam-pirenena azon’ ny ankizy aorian’ny fahavitan’ ny fianarana ka antony isafidianan’ny tanora hianatra any, raha ny fanadihadiana natao. Manampy betsaka amin’ny fitadiavana asa eny anivon’ny orinasa tsirairay avy izany.
Mila manomana vola 13 000 euros hatramin’ny
19 000 euros (manodidina ny 65 tapitrisa Ar) eo ny tanora iray raha maniry hianatra any ivelan’i Madagasikara. Voaka­sik’izany ny sampam-piofa­nana mahazatra, toy ny “Admi­nistration des affaires”, “tou­risme”, “finance”, “marketing”… any amin’ny firenena toa an’i Frantsa, Alemaina, Italia, Inde ary Angletera. Tafiditra ao anatin’izany ny 2 000 euros hatramin’ny 3 000 euros, saram-pitantanana mandritra ny herintaona. Manampy izany koa ny 10 000 euros, saram-piaramanidina sy ny vola atao antoka amin’ny banky raha sendra misy loza, hatramin’ny taom-pianarana. Efa ao ihany koa ny vidin-tsakafon’ny mpianatra, maraina sy atoandro ary hariva mandritra ny herintaona. Manampy izany koa ny hofan-trano, ny jiro sy rano ary ny wifi. Mahatratra hatramin’ny 300 tapitrisa Ar kosa ny vola ilaina raha te hahavita fiana­rana hatramin’ny farany ny tanora iray.

Firenena be mpisafidy
i Canada
Anisan’ny firenena be mpisafidy indrindra ny any Canada. Manaraka azy ao ny any France sy Etats-Unis. « Efa mahaliana ny tanora mala­gasy ihany koa ny any amin’ny nosy Maurice. Noho izy io akaiky sy mbola azo lazaina ho mirary kokoa ny saram-pianarana. Toy izay ihany koa ny any Inde sy Turquie noho ny fanomezan’izy ireo vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra”, hoy Rajaonah Haingo, mpikarakara ny hetsika sy tomponandraikitra eo anivon’ny Madajeune. Amin’ny ankapobeny, ireo ankizy vao afaka bakalorea sy ny nahavita fianarana nandritra ny roa taona teny amin’ny oniversite no tena mazoto mandeha any, raha ny fanazavana voaray teo anivon’ny Mada Jeune, mpikarakara ny hetsika “Salon des études internationals”. Nilaza ireo mpianatra nanontaniana fa mbola misy lesoka ny fanabeazana eto Madaga­sikara, ka antony iray mandrisika azy ireo hianatra ivelan’ ny Nosy.
Manampy betsaka ny ta­nora malagasy ny fanomezana sy ny fahazoan’izy ireo vatsim-pianarana. Nanodidina ny 45 ireo tanora avy eto an-toerana nandrato fianarana tany Inde, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny Parul Univer­sité etsy Antsahavola. Anisan’ ny sampam-piofanana be mpanaraka indrindra amin’ izany ny pharmacie, aéronotique, paramédicaux, BBI ary ny mekanika. “Miara-miasa amin’ny orinasa lehibe maneran-tany ny ankamaroan’ny oniversite any an-toerana. Tombontsoa lehibe izany satria afaka mandray avy ha­trany ireo mpianatra nivoaka, hiditra eo amin’ny sehatry ny asa”, hoy Rakotoa­rivony Se­heno, tomponandraikitra eo anivon’ny oniversite mandefa ankizy mianatra any Inde. Amin’ny teny anglisy avokoa ny ankamaroan’ny fampianarana, afaka mana­raka izany ny tanora iray raha mahazo tsara io fiteny io. “Entanina mba tsy hanao tsinontsinona ny fiteny sy ny fianarana anglisy ny tanora sy ny ankizy mala­gasy satria ani­san’ny teny ampiasaina voalohany maneran-tany izy io”, hoy hatrany izy.

Efa misy ireo lesona ampitain-davitra

Manodidina ny 20 hatramin’ny 60% ny vatsim-pianarana azon’ny ankizy iray, arakaraky ny fahaizan’ny mpianatra, omen’ireo firenena maro samihafa manao izany. Azon’ny tanora malagasy ny mandeha manaraka lalam-piofanana any ivelany. Tsy voatery mankany an-toerana anefa ireo mpianatra raha tsy manana fahafahana ara-bola, raha ny fanadihadiana natao hatrany. Efa maro rahateo ihany koa ny oniversite any ivelany, manao izany tolotra izany. « Mba hanampiana ny tanora malagasy sahirana ara-bola sy tsy nahazo vatsim-pianarana avy amin’ny oniversite. Efa misy, araka izany, ny fanarahana ny fampianarana any ivelany, izay atao eto Madagasikara, amin’ny alalan’ny lesona ampitain-davitra”, hoy hatrany Rakotoarivony Seheno, tomponandraikitra eo anivon’ny oniversite mandefa ankizy mianatra any Inde. Hatreo amin’ny mari-pahaizana Licence ihany ny fanaovana izany hatramin’izao fa tsy maintsy mankany kosa raha haka Master, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Misedra olana ireo ankizy sy tanora maniry hianatra any ivelan’i Madagasikara. Voakasik’izany, ny fikarakarana ny antontan-taratasy rehetra ahafahana miala eto an-toerana, indrindra ho an’ireo ankizy tsy nahazo vatsim-pianarana.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: