Hanao ahoana ny fanatanterahana ny fifidianana depiote? Amin’izao, mahita tsy fanarahan-dalàna ny Safidy: tokony ho efa nivoaka ny didim-panjakana fanaikana mpifidy. Fanehoan-kevitra…
“Ny And. 49 ao anatin’ ny lalàna mifehy ny fifidianana 2018-008 no milaza fa tokony havoaka miaraka ireo didim-panjakana fihaikana mpifidy, ny amin’ny anto-bola firotsahan-kofidina, ny fikakarana ankapobeny, ny isan’ny depiote, ny maodelin’ ny taratasy ilain’ny mpirotsa-kofidina… ” Io ny nambaran’ny mpitondra tenin’ny Sampana anaraha-maso ny fifidianana, ivon’ny demokrasia ifarimbonana (Safidy), Razanamahefa Désirée Marie Stella, ny amin’ ny fiatrehana ny fifidianana depiote. Efa fandikan-dalàna ny tsy famoahana an’ireo miaraka amin’izay fiatrehana fifidianana izay.
“Niaraha-nahita tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika teo, nisy ny fanakantsakanana ny fahafahana maneho hevitra; eny, na tsy resaka politika aza”, hoy kosa izy ny amin’ny tokony hamoahan’ny HCC didy milaza fa tsy manaraka ny lalàmpanorenana intsony ny didy hitsivolana 60-08 momba ny famoriam-bahoaka sy ny hetsika an-dalambe izay iombonany hevitra amin’ireo firaisamonina sivily mangataka izany. Nisy, ohatra, fikambanana iray nieritreritra hetsika an-dalambe izay tsy resaka politika fa ao anatin’ny tetikasa fanabeazana sy fanentanana, nefa tsy nomena fahazoan-dalana hanao izany. Efa nahazo fahazoan-dalana izy fa nofoanana tamin’ny fotoana farany. Nefa avy eo, nisy antoko politika nomena fahazoan-dalana haneho hevitra sy hanao fihetsiketsehana an-dalambe. Izay no nilazan-dry zareo hoe tsy tokony hisy fanakantsakanana amin’ny fanehoan-kevitra, na ara-politika na tsia.
R. Nd.