FJKM Betela Toamasina : raikitra ny fifandonana, olona iray naratra

Mbola tsy milamina ny disadisa miseho eo amin’ny samy mpino ao amin’ny fiangonana FJKM Betela Tanambao fahadimy ny marainan’ny alahady 10 marsa teo, nandritra ny fotoam-pivavahana. Tamin’ny voalohany, nizotra soa aman-tsara ny fotoam-pivavahana tsy nisy trangan-javatra nampiahiahy. Ny mpitandrina mpanampy mpiandry toerana no nitarika ny fanompoam-pivavahana, satria mbola marary mitsabo tena any amin’ny hopitaly kosa ny mpitandrina tompon-toerana. Akory anefa ny hagagana sy hatairan’ny  rehetra rehefa tonga teo amin’ny famakiana ny filazam-baovaom-piangonana fa nisy niakatra avy hatrany nanapaka ny fanamafisam-peo sady nisintona tampoka ny taratasy saika ho vakina. Ny hafa kosa nampiranty sora-baventy izay  efa voaomana amin’ny karazan-tsoratra maro samihafa maneho tsy fankasitrahana. Tsy vita moramora kanefa izany rehetra izany fa fifandroritana sy fifampikasihan-tanana no niseho teo amin’ny samy mpino. Vokany, nisy ny naratra, tao ny narary tongotra vokatry ny fianjerana sy fitsoahana tao am-piangonana. Taorian’ izay, nilamina ary afaka niditra ny fiangonana ireo mpianatra sekoly alahady ary nizotra ara-dalàna ihany koa ny fotoam-pivavahana faharoa, izay niditra tamin’ny 8 ora sy 30mn.

Sajo

Partager sur: