Hotanterahina ny 17 marsa ho avy izao ny lalao ampahefa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny Ligin’i Sofia, taranja baolina kitra, diviziona faharoa. Ireto avy ireo toerana efatra andraisana izany, ny kianjan’Analalava, Antsohihy, Port-Berge ary i Mampikony.
Notontosaina ny 9 sy 10 marsa lasa teo ny lalao savaranonando amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara. Nisy lalao fito nandeha tamin’izany. Manjaka tanteraka amin’ity fifanintsanana ity ny ekipan’ny Fosa Academy Boeny. Lavon’izy ireo tamin’ny isa mavesatra 3 no ho 0 ny FCM Sofia.
Rasolofoson Marion Fitia, vehivavy mpilalao basikety, anisan’ny handrafitra ny Ankoay hiatrika ny Lalao Afrikanina, hatao any Ghana ny 18 hatramin’ny 22 marsa ho avy izao. Marihina fa mandray anjara amin’ny basikety 3×3 i Marion Fitia. Tsiahivina koa fa atleta milaravinahitra any Frantsa ny tenany.
Hotontosaina ny 30 sy 31 marsa izao ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’i Vakinankaratra, taranja tsipy kanetibe. Tsara ny mampahatsiahy fa hifarana amin’io andro io koa ny fanavaozana ny taratasim-pilalaovana “licence” ho an’ireo mpilalao manerana an’i Madagasikara.