Spotlight Initiative 2.0 : kendrena ny hampahaleo tena ny vehivavy

Ao anatin’ny fandaharanasam-pirenena “Spotlight Ini­tiative 2.0”, nanatanteraka fitsidihana tany Toamasina ireo mpiara-miombon’antoka voakasika izany. Nitarika ny iraka tany an-toerana ny mpandrindra ny rafitry ny Firenena mikambana miasa sy monina eto Madagasikara, Issa So­nogo.
Renivohitry ny toekarena i Toamasina kanefa koa iharan’ny tondradrano matetika re­hefa misy rivodoza. Lasibatry ny fiantraikan’izany ny vehivavy sy ny ankizivavy. Ambony ny tahan’ny ankizy mitondra vohoka aloha loatra sy iharan’ny herisetra ary ny fampanambadiana aloha loatra, any an-toerana. Nahafahana na­hita mivantana ny fiantraikan’ireo karazana tohana ny fidinana ifotony natao. Anisan’izany ny fampahaleovantena ny vehivavy izay tena imasoana sy ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na ny maha vavy.
Tao amin’ny CHU Ana­lankinina, foiben’ny Freedom Fromfistula, misahana ireo vehivavy tratran’ny aretina mamany lava no nanaovana ny fitsidihana voalohany. Ni­zarana kojakoja momba ny fidiovana ireo manaraka fitsaboana ao, iaraha-miasa amin’ny Fnuap.
Nitohy tao amin’ny foibe mikarakara ireo ankizy niharan’ny herisetra ara-nofo izany. Nisy ny fanomezana toromarika mahakasika ny ady amin’ny fanolanana. Iarahana amin’ny minisiteran’ny Mponina ny fiahiana azy ireo …Teo koa ny famangiana ny vehivavy niharan’ny herisetra, ny fifampidinihana tamin’ireo tanora ao amin’ny vovonana Affri Yane…

Tatiana A

Partager sur: