« Miara-mirona r’ikala saramba ». Velakevitra entina hanomezan-danja ny vehivavy sy ny sorakantony izy ity, hotontosaina anio tolakandro etsy amin’ny efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy. Hifarimbona amin’izany ry Tsirinala, Soambinintsoa ary Nirihaja. Ao anatin’ny fanamarihan’ny Faribolana Sandratra ny faha-35 taonany hatrany ny hetsika.
Nisokatra nanomboka omaly, teny amin’ny IFM Analakely, ny hetsika “Gout de France 2024”. Ny tontolon’ny nahandro sy ny haify frantsay no tena asongadina mandritra ity hetsika ity, ary misy ny matihanina amin’izany tonga eto an-toerana. Atrikasa sy valandresaka ary fampirantiana no mandravaka ny hetsika izay mitohy amin’ity anio ity.
Mitohy hatrany ny “Open Mic, Without Mic”, iarahana amin’ny Gasy Stand Uppers. Fampisehoana hatsikana, tontosain’ny mpikambana eo anivon’ny Gasy Stand Uppers izy ity. Tanjon’ny hetsika ny hampahafantarana bebe kokoa ny Stand Up eto Madagasikara. Anio, eny amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely no hanatanterahina ny hetsika.
Tanterahina, eny amin’ny IFM Analakely, ny 18 marsa 2024 hatramin’ny 24 avrily 2024, ny fampirantiana “Tsy manan-kialofana”, an’i Ashiko Ratovo. Mpandresin’ny fifaninanana “Prix Paritana”, andiany fahafito izy. Ary nahazo fiofanana tany amin’ ny Cité des Arts, tany Paris, sy fanohanana ny tetikasany.