Tsy ny hira ihany fa ny tontolon’ny zavakanto eto Madagasikara mihitsy no mila manatevim-pahalalana. Tranga tsy tokony hiseho ny fanimbazimbana ny vakoka, arahina fialan-tsiny sy fifonana avy eo. Ny fanafintohinana mahazo izay maheno na mahita ilay kanto, sns, raha nobeazina sy nampahafantarina ireo manan-talenta izay tokony ho fantany.
Manan-talenta amin’ny zavakanto ny Malagasy. Efa manomboka mitsingilaila aza io petrakevitra io amin’izao vanim-potoana izao. Hira tsy misy fototra ijoroana. Dihy tsy fanao imason’olona, sns, efa tsy zavakanto intsony. Mbola manamafy io fa mila beazina ny manan-talenta amin’ny kanto eto Madagasikara.
Mbola misy ireo mpahay sy mpahalala ary ny vatonamelankafatra, azo hanontaniana tsara izy ireny. Mila omena lanja lehibe ihany koa ny fifanakalozana eo amin’ny samy mpanakanto, indrindra fa ireo mpanakanto zoky mifanatona amin’ ireo tanora. Raha mbola tsy misy ny sekoly, azo atao tsara
io endrika fifanakalozana io. Tsy sarotra amin’ny Malagasy ny endri-panabeazana tahaka izany, satria, efa niainan’ny razany !
HaRy Razafindrakoto