TSELATRA

Voasambotry ny polisy ao amin’ny kaomisaria foibe ao Morondava, omaly, teo amin’ny toeram-piantsonan’ny taksiborosy ny jiolahy roa malaza ratsy amin’ny asa fisolokiana. Naharay fitarainana ny polisy momba ny fisian’ireto roa lahy ireto misoloky olona ao Morondava. Niroso tamin’ny fisavana azy ireo ny polisy ka ody ratsy maromaro niaraka tamin’ny mohara no hita tany aminy.
Naiditra am-ponja eny Antanimora ireo roa lahy tompon’antoka tamina halatra narahina fanapoizinana tamina mpanao taxi-moto iray. Tratra teny Andoharanofotsy ry zalahy ireto. mody mandray taxi-moto izy ireo ka rehefa tonga amin’ny toerana iray dia mividy zava-pisotro ny iray. Ny iray kosa mandrotsaka fanafody fampatoriana omena ilay mpitondra moto. Lasa ny moto rehefa rendrika ny tompony.

Partager sur: