USAID-Pnud : hatsaraina ny fahaiza-manaon’ny fadintseranana

Misongadina ny fivoaran’ny fadintseranana malagasy tato anatin’ny taona vitsy. Na izany aza, misy ny fanatsarana tokony hatao, mahatonga ny USAID sy ny Pnud hanohana ny sehatry ny fitaterana ana habakabaka.

Miara-miasa amin’ny fa­dintseranana mala­gasy ny governemanta Amerikana, amin’ny alalan’ny Sampandraharaha Ameri­kanina misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID) sy ny Fandaharana­san’ny Firenena mikambana momba ny fampandrosoana (Pnud). Ao anatin’izany ny fanavaozana ny fadintseranana malagasy, hanatsarana ny fomba fiasa eny amin’ny seranam-piaramanidina sy ny fanodinana entana. Hampi­di­rina ny tolotra mailaka « rapide service » sy ny e-varotra amin’ny alalan’ny internety.
Maharitra roa taona ny tetikasa, hanamafisana ny fahaiza-manao sy ny mangarahara amin’ny fitantanana ny ladoany eto Madagasikara hanarahana ny fenitra. Nana­mafy ny masoivoho Amerika­nina, Rtoa Claire A. Pieran­gelo, “fa zava-dehibe ity fiaraha-miasa vaovao ity. Hana­tsara ny toekaren’i Madagasi­kara ny mangarahara hahazoana ny fitokisan’ny mpampiasa vola amin’ny raharaham-barotra eto amin’ny firenena”.

Roa andro ny fikirakirana

Hanatanteraka ny tetikasa ny Pnud. Hapetraka ny sehatra vaovao hikirakirana ny angom-baovao momba ny entana ana habakabaka sy an-dranomasina, ka hampidirana ny teknolojia maoderina sy niomerika ao anatin’ny rafitra efa misy. Hampitombo ny vola miditra ao amin’ny fadin­tseranana ny fanavaozana. Haharitra roa andro monja ny fanafarana na fandefasana entana ana habakabaka sy an-dranomasina.
Nilaza ny solontena maharitra eto Madagasikara, Rtoa Natasha Van Rijin, fa “faly ny Pnud mandray anjara hanatsara ny fidiran’i Madagasikara eo amin’ny tontolon’ny varotra iraisam-pirenena, mba hisian’ ny fampandrosoana maha­ritra”.
Manohana ny fampiasam-bola ara-barotra koa i Etazo­nia, amin’ny alalan’ny AGOA, ao anatin’ny tetikasa USAID/ Prosper Africa Trade and In­vestiment. Maherin’ny 28 tapitrisa dolara ny tetikasan’ny USAID amin’ny cacao, ny zava­­manitra, ny fiompiana trondro ary ny fampiasam-bola misy fiantraikany.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: