Tontosa tao Antsirabe, ny 5-7 marsa teo, ny atrikasa fiofanana mahakasika ny rojom-pihariana mangahazo ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo teknisianina. Ao anatin’izany ny fampitomboana ny masomboly haharaka ny filàn’ny mpamokatra. Eo koa ny fampiroboroboana ny rojom-pihariana hanana sehatra lehibe eo amin’ny fanjarian-tsakafo.
Tafiditra ao anatin’ny lisitry ny Cites ao amin’ ny annexe ny tangoaraka na corail noir. Voarara maneran-tany ny fitrandrahana azy. Hentitra ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga manoloana ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. Manentana ny mpiara-belona ny minisitera hiaro sy ho saro-piaro ny tangoaraka.
Hatao anio 13 marsa ny fiofanana mahakasika ny fiompiana trondro ao amin’ny efitrano malalaka Littoral Hotel, any amin’ny kaominina sady distrika Tsihombe, faritra Androy. Hifantoka amin’ny fomba fikarakarana ny trondro, ny sakafony, ny fitantanana ny fiofanana ary maimaimpoana.
Mandray anjara amin’ny hetsika ara-pizahantany “Salon Holiday & SPA International Tourism Fair”, hatao ny 13-15 marsa any Sofia, renivohitr’i Bolgaria i Madagasikara. Tanjona ny hikarohana lalam-barotra ara-pizahantany any amin’ny tsena Eoropa Atsinanana iarahana amin’ny tetikasa PIC. Mitarika ny delegasiona malagasy ny minisitra Randriamandranto Joël.