Hita faty tao an-tanimbary, teny Antsahakely fokontany Vonelina, omaly tolakandro, ny lehilahy iray, izay efa nokarohin’ny fianakaviany andro maromaro. Mbola hita teny am-babeny, tao anaty kitapo, ny entana vao avy novidiany.
Raha ny tatitra nampitain’ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandarimaria Itaosy, araka ny fampitam-baovao nomen’ny rain’io lehilahy niharam-boina io : ” niala tao an-tranony eny Merimandroso Itaosy izy ny alatsinainy tokony ho tamin’ny 10 ora maraina. Nandeha bisikileta. Nilaza handeha hiantsena any Analakely”. Tsy nody tao an-tranony intsony taorian’izay kanjo izao hita faty izao.
Voalazan’ny rainy hatrany, araka ny fizaram-baovaon’ny zandary, fa tsy dia salama izy, manana aretina mitaiza. «Misy fotoana izy mifanintona ka tsy mahatsiaro tena mandritra ny fotoana vitsy», hoy hatrany ny fanazavany tamin’ny mpitandro filaminana. Mandringa ihany koa izy. Niezaka niantso azy ny tao an-tranony saingy tsy tratra antso intsony izy taorian’io fotoana nandehanany niantsena io.
Nisy nangalatra
Nohamafisin’ny zandary fa tamin’ny 2 ora tolakandro izy ireo no nahazo antso momba ny fisian’ity lehilahy niharam-boina ity. Tamin’ny fotoana nahatongavan’ny zandary nanao fitsirihana ny razana, teny aminy ny entana rehetra tao anaty kitapony. Efa simba ny razana. Tsy hita intsony, nisy nangalatra ny bisikileta nentiny. Tsy nahitana ratra ny vatany. “Ahina ho nihetsika aretina tampoka teny an-dalana ka nitarika ny fianjerany tao an-tanimbary”, hoy hatrany ny zandary. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka izy ireo ka aorian’izay no hamantarana ny marina rehetra sy ny tena antony nahafaty azy.
J.C