Be loatra ny mpamerina : mandroso miadana ny hira malagasy

Nipoitra ny « interprétation », ny « karaoke », ny « cover », sy izay mbola ho avy manaraka. Miroborobo fatratra ny famerenana ireo hira noforonin’ny teo aloha. Ilaina ny mamelona sy mampahatsiahy ny fahiny. Mety hampiadana ny fandrosoan’ny hira malagasy, anefa, izany raha maro loatra. Mihena miandalana ny isan’ny mpamoron-kira. Tsy amin’ny karazan-kira rehetra anefa fa amin’ireo izay heverina ho mahasarika indray ny mpihaino sy mampanembona ny vanim-potoana fahiny. Ny hiran’ny taona 1950 – 1960 ka hatramin’ny taona 1980 no tena ifandrombahana ny mamerina azy.
Azo atao tsara ny mamorona hira mitovy « firafitra » (tonony, feony, figadona, zavamaneno ampiasaina…) amin’ireny. Saingy, tsy vitan’ny ankamaroan’ireo manan-talenta ho amin’izany intsony noho ny antony samihafa. Iray amin’ireny ny fisalasalana. Mbola mety hisy mpitia ve ?…
Tsy azo hodian-tsy hita anefa ny firoboroboan’ny famoronan-kira nanomboka ny taona 2000. Saika mitovy firafitra avokoa izy ireny. Izany hoe, miaina anaty hala-tahaka. Antony tsy mampandroso haingana ny fivelaran’ny hira ma­lagasy koa io !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: