“Mieritreritra izany mpanohitra izay milaza azy hanohitra hahazo ny maro anisa parlemantera? Nofy izany. Satria tsy mbola misy zavatra miova na ny Ceni, na ny HCC, na ny governemanta. Tsy misy inona azo atao amin’izany”. Io ny fanehoan-kevitry ny avy amin’ny Cellule de crise “Diovy i Madagasikara”, i Benjara Paul, ny amin’ny fiatrehana fifidianana depiote. Mila miverina amin’ny fanjakana tan-dalàna i Madagasikara. Ny dikan’izany: mila Tetezamita hahazoana miverina amin’ny nangatahin’ny vahoaka hoe diovina ny lalàm-pifidianana, ny Ceni, ny HCC, ny governemanta…
Miandry ny fihaonana amin’ny mpamatsy vola ny famaritana ny isan’ny depiote hofidina sy ny fari-pifidianana amin’izany, araka ny fijeriny. Tsy manam-bola izao ny fanjakana. Nefa avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka ny 70% amin’ny fampandehanan-draharaha. Sora-bola ny tetibolam-panjakana, tsy midika hoe misy vola. Ny zava-misy: ny 65% mampandeha ny governemanta dia avy amin’ny mpiara-miombon’antoka, izay manidy izany amin’izao. Tsy amin’ny fifidianana fotsiny izany.
R. Nd.