“Nanome toky azy ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana ary manome toky ny vahoaka malagasy sy ny mpanao politika ary ny kandidà fa hanao araka ny Lalàmpanorenana, antsakany sy andavany ary amim-pahamarinana ny fifidianana depiote”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), Rakotoarisoa Florent, teny Ambohidahy, afakomaly, ny amin’ny fitsidihana ara-pomba fifanajan’ny ambasadaorin’i Korea Atsimo azy. Raha tsy mijoro izy ireo fa miala amin’ny andraikitra noho ny fampitahorana sy ny fandrahonana: nankaiza ny firenena? Miasa ihany no enjehina. Tany demokratika i Madagasikara. Mahazo miteny sy manao fanakianana ny rehetra. Fantany ny antony mahatonga ny firaisamonina sivily manao fanakianana. Tsy misy 100% tonga lafatra amin’ny asany, indrindra ny HCC. Eken-dry zareo izany: mety misy ihany ny tsy lavorary, olombelona no miasa. Koa manao antso avo izay manao fanakianana mba hieritreritra koa raha misy zavatra tsara ataon’ny HCC sy ny fanjakana fa tsy fanakianana hatrany no atao.
R. Nd.