Herinandro maneran-tany ho an’ny vola: mila mianatra mitantam-bola ny tanora malagasy

Fahombiazana amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny toekarena ny fahaiza-mitantam-bola. Hampahafantatra mahakasika ny tontolon’ny fitantanam-bola ny Global money week.

Tafiditra ao anatin’ny herinandro maneran-tany ho an’ny vola (Global money week) isika izao. Hetsika karakarain’ny OCDE, ankalazaina amina firenena 176 maneran-tany. Mandray anjara amin’izany amin’ny alalan’ny fanentanana ny tanora hahay hitantam-bola i Madagasikara. Entina hanamarihana ny hetsika ny lohahevitra, “Arovy ny volanao, jereo ny hoavy” izay miompana manokana amin’ny fanabeazana ara-bola ny ankizy sy ny tanora sy hahaizany mitantana am-pahendrena izay eo am-pelatanany. “Mandray anjara amin’ny fankalazana ny Global money week efa ho valo taona isika. Misy ny hetsika maro isan-karazany hanamarihana izany, nanomboka ny 11-24 marsa isaky ny distrika sy isam-paritra izay hiarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka samihafa”, hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny Tahirimbolam-panjakana sady lehiben’ny sampana fandrindrana ny andrim-panjakana eo anivon’ny fiandrianam-pirenena momba ny fitantanam-bola. Ho an’Antananarivo, toerana ivon’ny fankalazana, hisy ny fandarahana samihafa natokana ho an’ireo mpandray anjara, toy ny amin’ny 17 marsa izao izay hiarahana amin’ny ORTANA. Atao eny amin’ny kianja Barea Maha­masina ny 18-20 marsa izao kosa ny hetsika Global money week. Hisy ny fampirantiana isan-karazany sy fifanakalozana ary valandresaka mahakasika ny tontolon’ny fitantanam-bola sy ny haitao ara-kajy mirindra. Hampaha­fan­tarina ny tanora mandritra ny roa andron’ny hetsika ihany koa ny torohevitra rehetra hampahomby ny fitantana.

Fampianarana
Ankoatra ny hetsika eto an-drenivohitra, misy ny fiaraha-miasa amin’ireo tomponandraikitra isan-karazany hanohizany ny fanakalazana ao Ambatolampy sy Mora­manga. Hisy, araka izany, ny fitsidihana ireo banky any an-toerana sy fifanakalozana amin’ireo matihanina samihafa eo amin’ny sehatry ny fitantanam-bola. Marihina fa ma­molavola sahady ny tanora sy manamafy ny fahaiza-mitantam-bola ny Global money week, hananan’izy ireo hoavy mamiratra ho an’ny sehatry ny toekarena.

Henintsoa Hani

Partager sur: