Nihaona tamin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, mpisolo toerana, Jly Sahivelo Lala Monja Delphin ny minisitra kanadianina misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena, M. Ahmed Hussen, omaly. Fihaonana natao tetsy amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny, Anosy.Nivoitra tamin’ny dinika ny hanatsarana ny fiaraha-miasa sy ny fifanohanana eo amin’ny firenena roa tonta. Voakasik’izany ny lafiny tekinika sy ny ekonomika. Voaresaka ihany koa ny eo amin’ny sehatry ny tontolo iainana sy ny fananganana fotodrafitrasa ary ny fanofanana arakasa sy ny harena an-kibon’ny tany.
Ankoatra izay, nisy ny fihaonana tamin’ny ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta sasantsasany. Anisan’ny niatrika ny fihaonana tamin’ny M. Ahmed Hussen, ny minisitry ny Fampianarana tekinika sy fampiofanana arakasa, ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy.
Marihina fa nanomboka tamin’ny taona 1965 ny fifandraisan’ny firenena roa tonta. Mifanandrify ny fomba fijery avy amin’ny andaniny sy ny ankilany, indrindra momba ny olana maro samihafa ka anisan’izany ny fitovian-jo eo amin’ny lahy sy ny vavy, ny fanabeazana, ny tontolo iainana ary ny fiovan’ny toetr’
andro.
Lin