Mahajanga II: miahiahy ny lisitry ny mpifidy ny sefo distrika

Misy tsy mazava ary mampiahiahy sahady ? Nambaran’ny sefo distrikan’ i Mahajanga II, Rabenan­dra­­sana Nicolas, fa mampiahiahy tanteraka ny hiatrehana ny fifidianana depiote any any an-toerana. “An-jatony ireo olom-pirenena, tsy fantam-pihaviana voasoratra anaty lisi-pifidianana… Omeko baiko ny sefo fokontany hanala ny anaran’ireo olona ireo”, hoy izy. Nohitsiny fa anisan’ny lesoka ary tena mahagaga araka ny tatitra voarainy, miainga any anivon’ny fokontany ny fahitana anaran’olom-pirenenena marobe voasoratra anaty lisi-pifidianana. “Tsy mponina na olona ao anatin’ny fokontany anefa izy ireo fa noforinina fotsiny, nampidirina ao. Misy kajikajy izany ary voaporofo fa miandany ny tomponandraikitra sasany. Mety natao hikendrana ho an’ny tombontsoa manokana ho an’ny kandidà izatsy na izaroa izany ka hampidirana anaran’olona tsy anaty lisitra”, hoy ihany izy.
Etsy andaniny, nampitandrina ny sefo distrikan’i Maha­janga II fa misy andiana olona efa miketrika fanakorontanana any ho any amin’izao hiatrehana ny fifidianana solombavambahoaka izao.

Synèse R.

Partager sur: