Maharitra Ali Petera : “Tokony hahalala ny olan’ny vahoaka ifotony izay mirotsaka ho depiote”

Amin’izao ankatoky ny fifidianana depiote izao, ihazakazahana izay ho kandidà. Olona toy inona? Maneho ny fijeriny ny filohan’ny Association Lumière de la lune de Madagascar (Alluma), i Maharitra Ali Petera . Dinidinika…

Gazety Taratra (*): Inona no tena olan’ny vahoaka ety ifotony?

Maharitra Ali Petera (-): Ny tsy fisian’ny olona mandray andraikitra… Tokony hisy ny fanaovana fotodrafitrasa ety ifotony na eny ani­von’ny fokontany: fihadiana tatatra, ohatra, fa miakatra ny rano amin’izao. Eo koa ny tsy fisian’ny asa, fa ny ankamaroan’ny olona hoe aty ambany tanàna dia saika miompana amin’ny fitaomana entana, fivarotana amoron-dalana… Asa antselika no tena betsaka. Tokony hisy ny fampiofanana ny tanora hahazoan’izy ireo mamorona sy manana
asa: fanaovana savony, fiompiana akoho… Mba hahazoany mioitra sy mizaka tena amin’ny fiatrehany ny fiainany izany, fa tsy hiankina amin’ny karazana fanampiana sy famatsiana hatrany.
Mifototra amin’ny fampandrosoana eny ifotony ny fikambanana Alluma amin’izany: fanofanana tanora amin’ny informatika, fitadiavana asa ho azy ireo… Eo koa ny lafiny fanabeazana, nisy fampidirana an-tsekoly ireo zanaky ny sahirana, taom-pianarana 2023-2024. Eo koa ny fanampiana ny ray aman-drenin’ny mpianatra amin’ny fandoavana latsakemboka amin’izany.

* Olona toy inona no tokony hofidina ho depiote?
– Olona akaiky ny vahoaka no tokony hofidina ho depiote: fanta-bahoaka, miara-misalahy amin’ny vahoaka… Mahalala ny olana sy ny zava-manjo ny vahoaka izany, mitondra ny feon’ny vahoaka eny ifotony ho any amin’ny fahefana mpanatanteraka. Ankoatra ny maha mpanao lalàna azy sy ny mpanara-maso ny asan’ny fahefana mpanatanteraka. Takina amin’ny depiote amin’izany ny fihainoana ny hetahetan’ny vahoaka ifotony, mahalala tsara ny distrika na boriborintany misy azy… Avy amin’ny vahoaka ny depiote ary tokony hiasa ho an’ny vahoaka, tokony hidina ifotony amin’izay tena mahazo ny vahoaka.

Nangonin’i R. Nd.

Partager sur: