Manazary : rangahibe tratra namboly rongony

Noraisim-potsiny ! Voasambotry ny zandary, omaly tao Falimanarivo, kaominina Manazary Miarinarivo, ny rangahibe iray 73 taona tompona sahan-drongony. Nahazo angom-baovao ny zandary momba ny fisian’ity rangahibe ity miaraka amin’ny namany iray 40 taona mpanao trafikana rongony ao amin’ny kaominina Manazary. Nidina ifotony nanao fisafoana ny zandary mpanao fisafoana. Nahitam-bokany izany satria rongony 120 fototra no hita tao anatina tanimboly nampiarahana tamin’ny voly katsaka. Ity rangahibe ity no tompon’ny fambolena ireto zava-mahadomelina ireto, araka ny tatitra nampitain’ny zandary. Niroso tamin’ny fanongotana hatramin’ny fakany ireto zava-maniry ireto ny zandary. Nampidirina violon kosa izy roa lahy voarohirohy sy anaovana fanadihadiana. Hodorana avy hatrany ireto zava-mahadomelina ireto aorian’ny famotorana.

J.C

Partager sur: