Namoaka naoty ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny faran’ny volana janoary. Maimaimpoana ny fisoratana anarana ho amin’ny fanadinana CEPE sy BEPC.
Taorian’ny fangatahana tolo-tanana (vola) nataon’ny lehiben’ny foibem-panadinana hisahana ny CEPE ary ny BEPC tamin’ny ray aman-drenin’ny mpiadina, nihetsika ny tomponandraikitra ao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Nisy ny filazana navoakan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Maimaimpoana ny fisoratana anarana amin’ny fanadinam-panjakana roa manerana ny Nosy. Vokatr’izay, nidina ifotony teny amin’ny Cisco Atsimondrano sy Ambohidratrimo izy ireo. Nisy ny fanadihadiana momba ny fandraisana vola avy amin’ny ray aman-dreny hanampiana ny foibem-panadinana.
Voatery namerina ny vola noraisina isaky ny mpiadina ny tao amin’ny Zap Antehiroka na ilaina aza izany ho fampandehanana ny asa rehetra. Tsy eto Antananarivo ihany fa tonga hatrany amin’ny Dren Tsiroanomandidy sy Miarinarivo ny raharaha. Voalaza fa midangana be ny sora-bola nangatahan’ny tomponandraikitra tany an-toerana. Velon-taraina ny ray aman-drenin’ny mpiadina vokatr’izany. Ho an’ny eto Antananarivo, fanampiana fampitaovana no nangatahan’ ny tomponandraikitra hanamorana ny asa rehetra.
Hifarana tsy ho ela
Efa nisokatra tamin’ny 22 janoary ny fisoratana anarana ho an’ny fanadinam-panjakana CEPE. Hifarana ny zoma 22 marsa izany. Manao fizaham-pahasalamana eny amin’ny CSB II amin’izao fotoana izao ny mpiadina rehetra, araka ny lamina napetraka. Ny talata 10 jona ny fiatrehana ny CEPE.
Ho an’ny fanadinana BEPC, Nisokatra ny 5 febroary ny fisoratana anarana. Hikatona ny 5 avrily ho avy izao ny fandraisana ny antontan-taratasy. Hanomboka ny 1 jolay ka hatramin’ny 4 jolay ny fanadinana. Ao anatin’ny famintana ny fandaharam-pianarana ny kilasy hiatrika fanadinana CEPE, amin’izao fotoana izao. Hifantoka amin’ny fizarana sy famerenana hijerena ny lesoka ny mpianatra aorian’ny paka, hidirana amin’ny roa volana fahefatra.
Vonjy A.