“PharmagoraPlus”: nandray anjara i Madagasikara

Isan-taona, manana solontena mandray anjara amin’ny hetsika “PharmagoraPlus” izay hairanty lehibe atao any Paris ny farmasianina malagasy, ny faran’ny herinandro teo. Fihaonana naharitra roa andro. Natokana ho an’ny farmasianina sy ny mpiasan’ny fahasalamana ary ny mpisehatra amin’ ny fivarotam-panafody. Nisy ny fifanakalozana amin’ny samy farmasianina matihanina. Nisy ny fijerena ireo tolotra sy fanafody ary ireo mpamatsy vaovao. Nanan-danja koa ny famelabelaran-kevitra samihafa manodidina ny lohahevitra maro.

Ankoatra izay, anisan’ny nanatrika ny fivoriana lehibe tany Bangkok koa i Madagasikara. Niompana tamin’ireo olona misahana ny fitantanana ny rohy famatsiana fanafody ny dinika, natao ny fiandoan’ny volana febroary. Firenena 60 no nandray anjara. Nisolo-tena an’I Madagasikara ny dokotera Razafindraibe Hanitra, sady farmasiana no tomponandraikitry ny fitantanana ny fanafody ho an’ny faritra Fitovinany. Nanotrona azy ny tomponandraikitra maromaro ao amin’ny Centrale d’achat Salama, sy ny DPLMT ary ny tetikasa IMPACT.

Vonjy

Partager sur: