Politika ankapoben’ ny fanjakana: naverina ny fihaonamben’ny lehiben’ny Sampam-pitsarana

Ao anatin’ny fanatanterahina ny politika ankapoben’ny fanjakana, ny minisitera fitsarana. Naverina ny fihaonamben’ny Lehiben’ny Sampam-pitsarana misahana ny ady ifanaovan’ny olon-tsotra.

Tanterahina any Toliara, mandritra ny telo andro, nanomboka omaly, ny Fihaonamben’ny lehiben’ny Sampam-
pitsarana misahana ny ady ifanaovan’ny olon-tsotra na ny «Journées des Chefs des Juridictions Judiciaires». Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy, mitarika ny fihaonambe any an-toerana ny mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, ny minisitry ny Fitsarana, Ramatoa Randriamanantenasoa Landy Mbola­tiana. Miaraka aminy ireo lehiben’ny sampam-pitsarana rehetra eo anivon’ny fitsarana ambony ao Toliara sy Fianarantsoa.
Tanjona ny hanatsarana ny kalitaon’ny asam-pitsarana atolotra ny vahoaka manan-draharaha sy ny hanatevenana ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana ary ny fanamafisana ny traikefan’ireo lehiben’ny Sampam-pitsarana amin’ny fomba fitantanany.
Dinika marolafy

Lohahevitra maro no dinihina ao anatin’ny telo andro, anisan’izany ny fifampitana traikefa eo amin’izy ireo. « Tafiditra hatrany ao anatin’ny politika ankapoben’ny fanjakana momba ny fitsarana izao fihaonambe izao, izay miantefa amin’ny fanomezan-danja ny maha olona sy ny fanjakana tsara tantana ary ny ady amin’ny kolikoly », hoy ny minisitry ny fitsarana.
Hampiasaina ny fomba rehetra hoentina manatanteraka izany, ka antony namerenana izao fikaonan-doha ho an’ny lehiben’ny Sampam-pitsarana misahana ny ady ifanaovan’ny olon-tsotra izao, araka ny nambarany hatrany.
Raha tsiahivina, niato an-taonany maro ny fihaonambe noho ny antony maro samihafa. Ny lehibena Sampam-pitsarana rehetra eo anivon’ny Fitsarana Ambony ao Toliara sy ao Fianarantsoa no nanombohana azy.

Lin

Partager sur: