Tetikasa mendrika : hahazo vola hatramin’ny 7 500 dolara

Nisokatra tamin’ity volana marsa ity ary tsy hifarana raha tsy amin’ny faran’ny volana avrily ny fandraisana ny antontan-taratasy ho an’ireo fikambanana maniry ny hisitraka famatsiam-bola avy amin’ny Amerikanina. Avy amin’ny tetikasa “Ambassador’s Special Self-Help” (SSH) no hahafahana manatanteraka izany. Misokatra ho an’ireo ONG na fikambanana na kaoperativa rehetra mijoro ara-dalàna manerana ny Nosy ny fifaninanana.
Ireo manana tetikasa tsara maharesy lahatra, miantraika amin’ny eny ifotony ary misy fiantraikany mivantana amin’ ny fihariana sy ny fiainana ara-tsosialy no hahazo ny famatsiam-bola.
Mitentina 4 000 dolara hatramin’ny 7 500 dolara ny famatsiana ireo tetikasa arakaraka ny asa ataony. Tsy mifidy na tetikasa tanterahina an-tanàn-dehibe na any ambanivohitra fa mila mitondra voka­tsoa eny amin’ny vahoaka. Tsy maintsy tanterahina sy vitaina ao anatin’ny herintaona ilay tetikasa ary voaporofo ny vokany eny amin’ireo mpisitraka izany.

Mila havadika tetikasa ny hevitra mba hiteraka vokatsoa ho an’ny mpiara-belona. Izay no hanairana ireo tanora manana fikambanana mivoy ny asa sosialy. Maro ny fikambanana miantsehatra amina asa fanabeazana tanora na fiahiana ny marefo. Misokatra ho azy ireny indrindra ny fifaninanana toy izao.

Tatiana A

Partager sur: