TSELATRA

Tratran’ny polisy tao Toamasina, afakomaly ireo roa lahy tompon’antoka tamina halatra moto. Polisy iray nisahana ny fifamoivoizana no nahita lehilahy iray nampiakatra moto tamina cyclo-pousse, ka niroso tamin’ny famotorana avy hatrany. Fantatra tamin’izany fa moto halatra io nen­tin’izy ireo io. Jiolahy mpamerin-keloka amina halatra moto ireto tratran’ny polisy ireto.

Ramatoabe iray 67 taona niharan’ny fanolanana nataona jiolahy iray ny alatsinainy teo. Tsy vitan’izay fa lasany koa ny finday sy vola 50 000Ar. Fantatry ny fokonolona tao an-tanàna ny toerana misy io jiolahy io. Maty voatifitry ny zandary anefa ity olon-dratsy ity raha nikasa hi­tsoaka tampoka tamin’ny fotoana nisamborana azy. Efa nifonja tao Maevatanana noho ny fanolanana ihany koa ity farany.

Partager sur: