Anisan’ny depatemanta iray, andrin’ny firenena ny eo anivon’ny fanabeazana. Anisan’ny minisitera mahabe resaka indrindra ihany koa anefa ny fomba fiasany amin’
izao fotoana izao. Asa noho izy manakaiky vahoaka sy mahakasika mivantana ny ankizy sy ny zatovo? Teboka iray mbola ifandrirotana ny mahakasika ny fanabeazana ara-pananahana,
Lohahevitra tsy azo atao ambanin-javatra ny mahakasika ny fitaizana ny tanora amin’ny resaka fananahana. Saro-pady sy fady ho an’ny foto-pisainana malagasy ny miresaka izany. Saingy, tsy afa-miala amin’ny fitsokan’ny rivotra iainan’ny tanora sy ny zaza i Madagasikara. Mila mahay mijery hodidina tsara mihitsy.
Firifiry ny ankizy vao 11 na 12 taona amin’izao fotoana izao no hita mifampitaritarika eny amin’ny arabe toa “olon-dehibe”. Vao mamokatra ny tsirimpanentana ny vatan’ny zatovo, dia mitsiry manaraka izany ny fitiavana sy tia andrakandrana. Aleo vakina bantsilana ny resaka: tsy hoe “kely veta” ny ankizy fa ilay tontolo iainany sy ny toe-batany no efa lasa aloha loatra. Dia ho tazanim-potsiny aza ve izy ireo? Ho avela hiaina anaty tsy fahalalana? Efa misy ny ady sisika isan-karazany ataon’ny firaisamonim-pirenena, saingy mbola mizirizizy amin’ny heviny ny minisitera.
Iaraha-mahita fa mirongatra ny fanolanana ataon’ny ankizy sy zatovo amin’ny ankizy na zatovo mitovy aminy. Resaka fanabeazana no anisan’ny rangory fototry ny afo. Tsy homen-tsiny samy irery ny ray aman-dreny. Manana adidy goavana ny sekoly, izay handanian’izy ireo ny androatokon’androny. Ny mpanabe no anisan’ny to-teny sy akaiky ny fon’ny ankizy. Mila mahasahy miala amin’ny mahazatra ny minisitera. Mivoatra ny fiarahamonina ary efa manambaka olo-maventy ny kilonga madinika.
r.r