Ambohimalaza : tratra ny mpisoloky, manao fanamian’ny Tafika

Naiditra am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, omaly ilay lehilahy nisandoka ho Tafika. Olona telo hafa indray nalefa eny amin’ny fonjan’Antanimora noho ny fisandohana asa sy andraikitra (nilaza ho miasa eo anivon’ny Tafika Mala­gasy). Nitohy hatrany ny fanadiha­diana lalina nataon’ny zandary momba ilay raharaha fisolokiana ho miaramila eo anivon’ny Tafika Malagasy. Nanao fanadihadiana lalina, araka izany, ny teo anivon’ny tobim-paritry ny zandarimaria Ambo­himalaza. Tao anatin’ny famotorana no nahafantarana ny olona nividianany ny fana­miana an’ny Tafika izay nentiny nisolokiana sy nentina na­naovana fanamparam-pahe­fana tamin’ireo mpiara-monina. Tsy vitan’izay fa mbola mangalatra ihany koa izy. Olona roa no tratran’ny zandary, an­koatra ireo mpisakaiza voasambotra voalohany. Niroso tamin’ny famotorana azy ireo indray ny zandary ka fantatra, nandritra izany, fa manjaitra sy mivarotra fanamiana an’ny Tafika io orinasakely io. Maro ireo fanamiana fampiasan’ny Tafika, toy ny akanjo, satroka, galona vokarin’io orinasa kely io. Hita ihany koa ny toerana fivarotan’izy ireo izany. Niaiky ny heloka vitany ireto mpisandoka andraikitra ireto nandritra ny fanadihadiana nataon’ ny zandary. Nilaza izy ireo fa tsy vao izao fa efa ela no nanao ity asa ity. Taorian’ny fitondrana ny raharaha teny anivon’ny fampanoavana, naiditra vonjimaika am-ponja ireo voarohirohy.

J.C

Partager sur: