Efa voatetika ny omby: lavon’ny zandary i José kely dahalo raindahiny

Maty rotiky ny balan’ny zandary ny dahalo raindahiny an­tsoina hoe José kely tao Ambohibary, Antsirabe II. Raha ny tatitra nampitain’ny zandary, lasan’ny mpangalatra ny omby iray tao Mahazina fokontany Antsapanimahazo, kaominina Antsoatany, distrikan’Antsirabe II. Niroso tamin’ny fanarahan-dia avy hatrany ny fokonolona sady nampandre ny zandary ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambohibary. Roso ny zandary nitondra fiara tsotra nanaraka avy aoriana. Tsy nanampo na inona na inona anefa i José kely niaraka tamin’ny gony be feno hena fa nanakana fiara toy ny mpandeha tratra alina ireny. Ny fiaran’ireo zandary manara-dia azy anefa io nosakanany io. Nitsoaka avy hatrany rehefa nahafantatra fa zandary ireo olona tao anaty fiara. Navelany ny gony be feno hena miaraka amin’ny sakaosibe iray. Rehefa nojerena, fantatra fa i José kely io dahalo lavon’ny bala io. Dahalo gagilahy mpamerin-keloka nampitondra faisana tao amin’io kaominina io. Anisan’ny mampalaza azy ny halatra omby, halatra kisoa hatramin’ny vaky trano. Voalazan’ny zandary fa efa namoa­han’ny fitsarana didy fampisamborana izy noho io asa ratsy ataony io.

J.C

Partager sur: