Miasa eto Antananarivo sy any Mahajanga ny tetikasa Hifali (Hetsika iombonana ho an’ny fahasalaman’ny saina sy ny lamina ifotony) andiany faharoa, miaraka amin’ny Humanité & Inclusion misehatra. Tetikasa iray miady amin’ny fanilikilihana sy ny fanohanana ara-tsaina sy ara-batana ireo olona tratran’ ny androbe sy ny fianakaviany, miaraka amin’ireo olona manana olana ara-tsaina. Misahana ny fahasalaman’ny saina eny ifotony izy ireo ary tafiditra ao koa ny fisorohana telo (primaire, secondaire ary tertiaire), araka ny fanazavan’ny mpiandraikitra ny tetikasa, Randriamampionona Eugène.
Asa maromaro no iandraiketan’izy ireo ka anisany ny ady amin’ny fanilikilihana amin’ny fanapariahana ny voambolana tsy tokony hampiasana intsony (adala, gaigy…). Eo koa ny fananganana Vovonana mampivondrona ny olona tratran’io aretina io sy ny manana olana ara-tsaina ary ny fianakaviany. Efa tafatsangana ny Vovonana any Mahajanga sy eto Antananarivo. Zava-dehibe koa ny fampahaleovan-tena ka nisy ny fampiofanana ho an’ny olona 40 momba ny fanamboarana savony sy fanamboarana fiara. Andrasana avy amin’ny fanjakana ny fanatsarana ny fandraisana an-tanana ireo marary.
Vonjy