Indroa isan-taona ny fitsapam-pahaizana miteny japoney, amin’ny alalan’ny JLPT, atao eto Madagasikara. Efa mahaliana tanora maro io tenim-pirenena vahiny io.
Nitondra fanazavana mahakasika ny fampianarana teny japoney na ny Japanese Language Proficiency Test eto Madagasikara (JLPT) ny masoivoho japoney.
Fanadinana hitsapana fahaizana teny vahiny iraisam-pirenena ny JLPT. Mitovy amin’ ny TOEFL raha anglais, Delf raha Français. Mari-pahaizana iraisam-pirenena no azo amin’ izany.
Maro ny antony ilana azy satria anisan’ny fepetra takina amin’ny asa izy. Misy ilana azy ihany koa any amin’ny resaka fifindra-monina ary indrindra amin’ny fisitrahana vatsim-pianarana.
Manomboka mahaliana ny tanora ny fianarana teny japoney indrindra ireo mitady vatsim-pianarana any ivelany. Eo koa ireo miasa amin’ny tambajotra ara-barotra mankany Japon.
Nandritra ny taona maro no nisian’ny JLPT teto Madagasikara dia indray mandeha isan-taona no nanaovana azy, isaky ny volana desambra. Tamin’ny taona 2023 anefa dia lasa indroa izy io, izany hoe, ny volana jolay sy desambra, noho ny fivoaran’ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Japon.
Misy ambaratonga dimy ny fampianarana, N1, N2, N3, N4 ary N5. Ny N5 no ambaratonga mora indrindra ary miakatra mankany amin’ny N1. Mitombo isan-taona ny ankizy manala fanadinana raha ny eto Madagasikara. Ra N1 sy N2 manokana dia mbola tena vitsy ny Malagasy manana izany.
Fanadinana hitsapana ny fari-pahaizana teny japoney ho an’ireo mianatra izany maneran-tany ny JLPT. Tsy teratany japoney ireo mpiadina fa avy amin’ny firenena hafa. Nanomboka tamin’ny taona 1984 ny JLPT ary mbola firenena 15 no nanatontosana azy tany am-piandohana. Ankehitriny, efa firenena maro no hanaovana izany ary tsy diso anjara amin’izany ny eto amintsika.
Tatiana A