Naratra teo amin’ny lohany ny raim-pianakaviana iray notsatohan’ny jiolahy antsy teny Ampasika, omaly. Lasan’ireo mpanafika ny kitapo niaraka amin’ny vola…
Raim-pianakaviana iray hamonjy asa vao maraina no niharan’ny fanendahana nataon’ny jiolahy telo nirongo basy sy zava-maranitra teny Ampasika, omaly vao maraina. Teo am-piandrasana taxi-be hihazo an’Ivato no tonga nanatona azy ny jiolahy telo sady nanambana basy. Notereny hanome ny kitapo nobabeny teny an-damosina miaraka amin’ny finday ity raim-pianakaviana ity. Tsy nanaiky mora foana anefa fa niezaka nanohitra ireo jiolahy izy. Mafy ny fifandonana satria nifampisintoman’ireo olon-dratsy ilay kitapo. Tsy naharesy tosika azy ireo jiolahy ka voatsatoka antsy teo amin’ny lohany ilay niharam-boina. Naratra mafy izy, lasan’ireo mpanafika ihany ny kitapo misy ordinatera niaraka tamin’ny kojakoja. Tsy vitan’ izay fa mbola nalain’izy ireo koa ny finday miampy ny vola tany am-paosiny. Nitsoaka ny lalana manamorona ny reniranon’Ikopa ireo mpanendaka rehefa nahazo ilay kitapo. Soa ihany fa tsy tafalentika lalina ny antsy fa saika zava-doza. Olona tsara sitrapo no nitondra azy namonjy toeram-
pitsaboana. Avotra soa aman-tsara ihany ilay raim-pianakaviana, raha ny loharanom-baovao voaray. Voalaza fa miasa amina orinasa mikirakira momba ny tontolon’ny informatika eny Talatamaty izy. Tsy vao izao fa matetika no ahitana trangana tsy fandriampahalemana amin’iny Ampasika sy ny manodidina iny. Ireo mpiasa tratra hariva na hamonjy asa vao maraina no tena lasibatra.
J.C