Fifaninanana ny taranja matematika karakarain’ny Unicef, ny Banky iraisam-pirenena, ny Uzreport Tv, ireo oniversite sy ny vondrom-panabeazana any ivelany ny “Tashkent International Mathematics Olympiad” (TASIMO). Tanjona ny hanamafisana ny fitiavana ity taranja ity, handrisihana ireo mpianatra amin’ny fikarohana vahaolana. Manam-pahaizana maro no hanatanteraka ny fifantenana, izay ho tanterahina amin’ny fampitan-davitra.
130 mahery ireo solontena avy amin’ny kaominina ao amin’ny distrika Ambohimahasoa nanatrika ny fiofanana maimaimpoana momba ny fikarakarana zokiolona sy sosialy tao an-drenivohitr’ity distrika ity. Telo andro ny faharetan’ny fiofanana ary hanohy izany ny talem-paritry ny mponina Matsiatra Ambony, raha nikarakara ny hetsika ny Fikambanana mikarakara ny zokiolona eto Madagasikara.
Mpampianatry ny oniversite miisa 110 no efa voaofana ho an’ny ao Itasy, 18 ho an’i Fianarantsoa ary 38 ho an’Analanjirofo. 76,14% ny tanjon’ny fampiofanana napetraka no efa tratra. Mpampianatra miisa 218 no kendrena ho vita fiofanana ao anatin’ny 100 andron’ny fanamby.
Natao tao Ihosy ny fidinana ifotony hakana ny drafitrasa hiarovana ny distrika tsy hahabetsaka ny trangana tazomoka ao an-toerana. Nisitraka izany ny kaominina Zazafotsy, Sakalalina, Andohalava, Ambatolahy ary Mahasoa. Niarahana tamin’ny tetikasa PMI Evolve sy ny foibe miady amin’ny tazomoka ny hetsika.