Itasy sy Analanjirofo : hotokanana ny oniversite manara-penitra

Fantatra nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny fahavitan’ny oniversitem-paritra ao Itasy sy Analan­ji­­rofo. Hisantarana ny fiaraha-miasa amin’ny fanafarana ireo mpampianatra avy any ivelany ireo oniversite roa vaovao hisokatra ireo, raha ny toromariky ny Filoham-pirenena.
Ahitana sampam-piana­rana vaovao hosokafana ha­hafahan’ny tanora mandranto fianarana momba ny fizahantany, ny siansa momba ny ranomasina ary ny siansa maha olona.
Mpianatra hatrany amin’ny 3 234 no hianatra amin’ireo fotodrafitrasa vaovao ireo. Ahitana tranomboky, laboratoara miisa 3, efitrano lehibe fanaovana soutenance, efitrano fianarana miisa 6, efitrano informatika mahazaka mpianatra 40 isa, efitrano fivoriana, efitranon’ny mpampianatra ary birao isan-karazany. Ahitana Amphithéâtre iray lehibe mirefy 693m2 ary mahazaka mpianatra hatrany amin’ny 400.
Ny efitrano fatorian’ny mpi­­anatra kosa dia misy fandriana 80, kidoro 160 ary fanaka fampirimana entana miisa 160. Natao hifandraika amin’ny seha-pihariana, mitarika fampandrosoana eny ifotony, ny lalam-piofanana ho hita ao. Hanampy ireo tanora avy amin’ ny faritra izany mba ho tena afaka handray andraikitra eo amin’ny faritra misy azy sy hampihena ny fandanian’ny ray aman-dreny amin’ny fampianarana ny zanany alavitra.

Tatiana A

Partager sur: