Noraisin’ny minisitry ny Rano, ny Fanadiovana sy Fidiovana (MEAH), Ravokatra Fidiniavo, omaly, ny avy ao amin’ny Vondrona Eoropeanina (UE) sy ny USAID. Noresahana nandritra ny fihaonana tamin’ny masoivoho eoropeanina, Rtoa Isabelle Delatre Burger, sy ny delegasiona avy any Bruxelles niaraka taminy, ny tetikasa hiasan’ny UE eto amintsika. Toy ny PIAA 2, ny AFAFI atao any amin’ny faritra Androy sy Anosy. Eo koa, ny Jirama Water III, izay efa hiroso amin’ny antso tolobidy, hanorenana tobim-pamokarana rano eny Amoronankona. Noresahana koa ny fandaharanasa vaovao Pacte Vert momba ny toetry ny andro mahakasika ny sehatry ny rano.
Nihaona tamin’ny minisitra Ravokatra Fidiniavo, ny tolakandro, ny tale jeneralin’ny USAID, Rtoa Michele Russell. Ho hamafisina ny fiaraha-miasa efa nisy, toy ny tetikasa « Rano maharitra », mitentina 35 tapitrisa dolara, haharitra dimy taona (2024-2028), mahakasika faritra fito (Sofia, Betsiboka, Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Atsinanana, Androy, Anosy). Eo koa ny tetikasa « Dio sera », lafiny fanadiovana an-tanàn-dehibe (Toamasina, Fianarantsoa, Mahajanga), mitentina 10 tapitrisa dolara. Voakasik’izany ny fifehezana ny tay miparitaka sy ny ady amin’ny fangerena ankalamanjana.
Nilaza ny minisitra, Ravokatra Fidiniavo, fa tanjona ny fanatsarana ny tetikasa efa misy, ny famantarana ny loharanom-bola ary ny fanamafisana ny fanaraha-maso.
Njaka A.