Seha-pihariana Lavanila: nampiditra 46 miliara Ar ao anatin’ny CNV

Tao anatin’ny iray volana, niakatra ho 46 miliara Ar ny vola voaangona ao anatin’ny kitapom-bolan’ny Filankevitra momba ny lavanila, raha toa ka 28,5miliara Ar izany teo aloha.

Mahomby ny tarigetra napetraka. Tafakatra hatrany amin’ny 46 miliara Ar ny vola voaangona ao anatin’ny kitapom-bolan’ny Filankevitra nasionaly momba ny lavanila (CNV). Taratry ny risipon’ny mpandraharahaha amin’ny fanajana ny fepetra napetraka izany. Ny volana febroary teo, manodidina ny 28,5 miliara Ar ny vola voaangona ka izao nahazoam-bokatra tsara izao. “Ao amin’ny kitapom-bolan’ny CNV ireo vola ireo ary tsy nisy nipika na ariary aza”, hoy ny minisitry ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra, Razafin­dra­­vahy Edgard, raha nanazava momba ny vola 4 dolara isan-kilao alaina amin’ny lavanila haondrana mankany ivelany izy. Manana andraikitra goa­vana eo amin’ny seha-piha­riana lavanila ny CNV, toy ny fitandroana ny kalitaon’ny vokatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ao anatin’izany ny fanaraha-maso ny fahatsaran’ny lavanila. Aha­fahana mametraka labora­toara hitiliana ny kalitaon’ny lavanila mialoha ny hanondranana azy ny vola eo am-pelatanana, hitandroana sy hanarahana maso ny vokatra. Saro-pady ny lavanila noho izy anisan’ireo vokatra mampidi-bola betsaka eto amin’ny firenena.

Mangarahara
Vaindohan-draharaham-panjakana ny hampanjaka ny mangarahara eo amin’ny seha-pihariana lavanila. Teo aloha, nananosarotra ny fiti­liana ny vokatra noho ny tsy fananana fitaovana azo an­toka hanatanterahina ny asa. Ankoatra izay, manao antso avo amin’ireo mpiara-miasa aminy ny minisitra hampangarahara ny asa ataony sy ny andraikitra sahaniny. Marihina fa hentitra ny minisitera mahakasika ny fanondranana lavanila.

Henintsoa Hani

Partager sur: