Slam Nasionaly: efa manomboka ny fifantenana isam-paritra

Hotanterahina ny sabotsy 16 marsa 2024 ny fifaninanana rejionaly, ahafahana miatrika ny «Slam nasionaly 2024». Ny mpiangaly slam avy ao Mahajanga, mivondrona ao anatin’ny “Collectif Slama­sôva”, sy ny avy eto Anta­na­narivo, ao anatin’ny “Mada­gaslam Section Tanà” no hanao izany rahampitso. Eny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) Anda­va­mamba no hanatontosana izany ho an’ny eto Anta­nanarivo, raha any amin’ny Alliance française Annexe Tanambao Sotema kosa ho an’ny ao Mahajanga. Araka ny nambaran’ny tomponandraikitra, antenaina ny hisian’ny fifaninanana nasionaly avolenta, amin’ity taona ity noho ny ezaky ny rehetra eo anivon’ny Slam malagasy.
Efa samy vonona hiatrika ny Slam Nasionaly 2024, ny rehetra. Misantatra izany Antananarivo sy Mahajanga. Tsy miova ny fitsipi-pandraisana anjara. Manomana lahatsoratra telo ny tsirairay, tsy mihoatra ny 3 minitra sy 10 segondra ny fiantsana izany an-tsehatra ary tsy ampiasana fitaovana toy ny finday sy taratasy.
Etsy ankilan’izay, efa fantatra ihany koa ny datin’ny “Coupe du monde de Slam-poésie 2024 ». Ny talata 7 mey 2024 i Santa, solontenan’i Madagasikara no hiaka-tsehatra, miaraka amin’ny solontenan’ny RD Congo, Mali, Frantsa, Gabon ary Israel.

Lin

Partager sur: