Hiakatra kianja rahampitso, amin’ny Lalao Afrikanina, hatao any Ghana, ny Malagasy mpilalao tenisy. Efa vonona tanteraka ny atleta raha ny filazan’ ny mpanazatra. Marihina fa anisan’ireo hiaro ny voninahi-pirenena, i Andraina Voavy Mitia, vehivavy mpilalao, nahazo ny laharana fahatelo izy tamin’ny Fifaninanana Afrikanina U18.
Notontosaina teny Ivato, ny alahady 10 marsa lasa teo, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara “Slalom Moto Scooter”. Nahatratra 96 teo ireo mpandray anjara tamin’ity dingana voalohany ity. Tsara marihina fa nosokajiana ho sokajy enina ireo mpifaninanana tamin’izany.
Afaka telo andro, hivoaka ny anaran’ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena Barea, taranja baolina kitra. Amin’ny 18 marsa ho avy izao no hanaovana ny fampivondronana ho an’ny ekipa nasionaly. Tsiahivina fa hiatrika lalao ara-pirahalahiana roa, izay hatao ny 22 sy ny 25 marsa ho avy izao, izy ireo, etsy Mahamasina.
Nifarana tanteraka ny alarobia lasa teo ny lalao ampahavalon-dalana, fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, «Ligue des Champions (LDC) 2024», taranja baolina kitra. Mialoha ny fihaonana ampahefa-dalana, hatao any Nyon Suisse, anio 15 marsa ny antsapaka hahafantarana ireo ekipa mety hifanandrina amin’izany.