Hitalakotrokotroka ny etsy amin’ny Kianjan’ny Kanto Mahamasina ! Ireo andrarezin’ny hiragasy no hifandona eny an-toerana, rahampitso tontolo andro. «Hiragasy Goavambe», hifanandrinan’ny tarika Ramilison Besigara Zanany avy any Fenoarivo sy Rasoalalao Kavia avy any Ampahimanga. Manomboka amin’ny 10 ora maraina ny fifampitsapan’ny roa tonta!
Tarika Ramilison Besigara, anisan’ny nahafantaran’ny olona maro azy hatrany am-piandohana ny fananany vakodrazana mahasarika. Anisan’ireny ny «Mpivarokena sy mpivarodamba». Fony fahavelony, nanana ny naha izy azy ihany koa ny kabary. Mbola tohizan’ny zanany avokoa ireo, raha ny fanazavan’i Dadafara.
«Tsy latsa-danja amin’izany koa ny tarika Rasoalalao Kavia izay nandimby ny rainy, Rakotoarivo Kavia», hoy hatrany ity mpikarakara hetsika mifandraika amin’ny hiragasy ity. Fantatra fa ny zanakira no tena ananany traikefa matanjaka. Iray amin’ireo nampalaza ity tarika ity ny «Taksi sy posiposy». Tahaka izany koa ny vakodrazana.
Raha tamin’ny alalan’ny Radio na televiziona no nahitana ny tarika Ramilison Besigara Zanany mihira ny «Mpivarodamba sy mpivarokena». Tahaka izany koa ny tarika Rasoalalao Kavia mihira ny «Taksi sy posiposy», amin’ ity indray mitoraka ity, hifanatrika mivantana amin’ny mpijery izy ireo!
HaRy Razafindrakoto