Fandefasam-bola: miara-miasa ny BNI Madagascar sy ny MoneyGram

Mivoatra hatrany ny tontolon’ny fandefasam-bola eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Misitraka izany i Mada­gasikara amin’ny alalan’ny fiaraha-miasan’ny BNI Mada­gas­car sy ny MoneyGram, izay mikendry manokana ny hanamorana ny fandefasana vola any ivelany eto amintsika. “Tombony amin’izao fiaraha-miasan’ny roa tonta izao ny fahazoana vola avy any ivelany, izay azo alaina mi­vantana eny anivon’ireo ma­soivoho 111-n’ny BNI Mada­gas­car manerana ny Nosy sy any amin’ny faritra 23 amin’ny fotoana rehetra”, hoy ny fanazavan’ny talen’ny tambajotra BNI Madagascar, Rasoloha­rijao Fanja, omaly, nandritra ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny tolotra tetsy Anala­kely. Tsotra, mora, azo antoka ary tsy misy sarany ny fangalana ny vola eny anivon’ireo masoivohon’ny banky rehefa voamarina avokoa ny antontan-taratasy takina amin’izany toy ny karapanodrom-pirenena sy ny famenoana ny taratasy hangalana ny vola.

Tombony

Tonga ara-potoana ny tolotra amin’izao firoboroboan’ny tontolon’ny fandefasam-bola maneran-tany izao, izay tafakatra hatrany amin’ny 600 miliara dolara. Noho izany, natao ho an’ny rehetra ny tolotra. Izany hoe, tsy voatery manana kaonty eny amin’ny banky na koa mpanjifan’ny BNI ireo maniry hisitraka izany. Nasongadin’ny tale jeneralin’ny BNI Madagas­car, Alexandre Mey, nandritra ny lahateniny ireo tombontsoa azo amin’ny fampiasana ny tolotra sy ny fiaraha-miasan’ny roa tonta amin’ny fanomezana fahafahampo ny mpanjifa.

Henintsoa Hani

Partager sur: