Fanesorana fako: tsy nandray karama, mitokona ny mpiasa

Mpiasan’ny SMA efatra no nosamborin’ny mpitandro filaminana, omaly, nandritra ny fihetsiketsehana nataon’izy ireo. Nitokona sy voalaza fa nanakorontana ny fifamoivoizana teny Ampasampito izy ireo. Nambara fa anton’ny fitokonana tsy nandray karama izy ireo. Sady nobahanana daba ny arabe no naongan’ny mpanao fihetsiketsehana izany. Naparitan’izy ireo teny an-dalàna, ny fako tao anatiny. Nikatso ny fifamoivoizana nandritra ny fotoana maharitra. Tsy mahafaly ny mpiasa ao amin’ny SMA ny volan’izy ireo izay nambara fa tsy nomena. Manginy fotsiny ny faneriterena hanatrarana ny fanadiovana sy ny fanalana fako ao anatin’ny 10 andro. Nitroatra izy ireo, niafara tamin’ny fitokonana izany.
Tsy nijanona teny Ampa­sampito, Ankadindramamy, Mahazo ny fitokonana fa niitatra hatreny Avaradoha, teny Behoririka ambany tetezana, ny teny Analakely. Vao mainka nampiakatra ny hatezeran’ireo mpiasa ny fisamborana nataon’ny mpitandro filaminana ny naman’izy ireo. Nisy ny fifamaliana sy fifampikasihan-tanana, raha ny fijoroana vavolombelona nataon’ny olona nanatri-maso.
Araka ny resaka nataon’ny mpiasa, tokony ho nivoaka ny alakamisy teo ny karaman’izy ireo. Tsy nisy anefa ny vola noraisina. Nambaran’ny mpiasa fa efa nisy ny fifampiresahan’izy ireo sy ny tomponandraikitra eo anivon’ny kaominina. Voakasiky ny resaka ny fandoavana ny karama tsy azo. Tsy nisy valiny ny fitakiana, tsy manome valinteny matotra ny eo anivon’ny kaominina. Manamafy ny mpitokona fa hitohy ny hetsika mandram-pivalin’ny fitakiana.

J.C

Partager sur: