Hiditra amin’ny andiany faha-12, hotontosaina any Vatomandry, ny 29 marsa hatramin’ny 1 avrily izao ny «Festival Dôla Beach”. Hetsika fanao isan-taona rehefa fetin’ny Paka izy ity, atao any an-toerana. Miara-dalana hatrany ny hetsika ara-javakanto, fialamboly ary ny fanatanjahantena mandritra ny “Festival Dôla Beach”. Anisan’ny andrasan’ny maro amin’ity taona ity ny fampisehoana goavana, hotontosain’i Tence Mena sy i Wawa, izay masoivohon’ny Telma. Nisy ny fampahafantarana ny hetsika tetsy amin’ny foiben’ny Telama Andraharo, omaly.
Ampahany kely amin’ny hetsika ihany anefa ny fampisehoana. Hisy hatrany ny “carnaval” hanombohana ny lanonana, hamakivaky ny tanàna. Homena sehatra hatrany koa ny vakodrazana betsimisaraka, ny hainahandro any an-toerana ary ny fampirantiana seha-kanto hafa. Ankoatra ireo, ny fifidianana izay ho “Miss” sy “Mister”, toa ny isan-taona. Tsy latsaky ny 20 000 ny olona andrasana any Vatomandry amin’ity, raha ny fanazavan’ny mpikarakara.
Zo ny Aina