Taorian’ny tao amin’ny Cité internationale des Arts, Paris. Anjaran’ny mpankafy hosodoko eto Madagsikara indray ny hianoka ny asa tanan’i Ashiko Ratovo, ao anatin’ny fampirantiana « Tsy manan-kialofana, Sans abri ».
Tanterahina eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ny 18 marsa 2024 hatramin’ny 27 Avrily 2024, ny ranty “Tsy manan-kialofana, Sans abri”. Seho ataon’i Ashiko Ratovo izay nahazoany ny laharana voalohany, nandritra ny fifaninanana “Prix Paritana”, andiany fahafito, nokarakarain’ny Fondation H. Fampirantiana faharoa hanehoan’ity Malagasy mpahay kanto ity ny vokatry ny fiofanana azony, tany amin’ny Cité internationale des Arts, Paris.
Haikanto maneho ny tontolo ambanivohitra vita amin’ny akora voajanahary, sahala amin’ny vato sy tany no harantin’i Ashiko Ratovo, mandritra ny hetsika. Fampirantiana novolavolaina niaraka tamina mpanakanto maro samihafa, nandritra ny fivahinianany tao amin’ny Cité internationale des arts, nandritra ny telo volana ity, atao ity. Nandritra izany no nandalinany ny fampiarahana ny loko rano sy ny loko plastika (Acrylique) mba hahafahana manatontosa hosodoko izay maneho ny hakanton’ny tontolo ambanivohitra, sokajiny ho lafatra sy iriny honenana. “Fivahinianana sy dia tany Ambohimahasoa, izay tany niaviako no aingam-panahiko sy nahatonga ity tetikasa ity”, hoy i Ashiko Ratovo.
Mandraharaha
Manao hosodoko amin’ny alalan’ny loko plastika (Acrylique) sy loko rano i Ashiko Ratovo.
Tsy nijanona fotsiny eo amin’ny fiangaliana hosodoko ity Malagasy mpahay kanto ity fa nivelatra eo amin’ny fandraharahana ny haikantony. Nanangana ny marika loko rano izy ny taona 2022. Io taona io ihany no nanombohany ny fianarana ahazoana mari-pahaizana “Licence d’Arts plastiques”, tao Panthéin Sorbonne Paris.
Lin